Rugby sokajy vehivavy – CAN 2026 : Resin’i Kenya 57 no ho 0 ny Makis Ladies

Nomontsanin’ny Kenyanina tamin’ny isa mavesatra ny Makis Ladies, nandritra ny andro faharoa, niadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2026), sokajy «Performance Division». Faharesena faharoa, ary tsy mbola afa-bela tamin’ i Kenya indray ny tovovavy malagasy.

Tsy mbola nihiratra ho an’ny Makis Ladies ny masoandro eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2026), ho an’ny rugby lalaovina olona 15, sokajy «Performance Divi­sion», vehivavy. Mbola tojo faharesena indray ny Mala­gasy, omaly, nandritra ny andro faharoa. Fifaninanana notanterahina tao amin’ny Kianja Nairobi, Kenya. No­mon­tsanin’ny Kenyanina tamin’ny isa mavesatra 57 no ho 0, ny Makis Ladies. Efa nampoizin’ny rehetra ny faharesena fa ilay isa no tsy nampino. Vao nanomboka dia efa hita ny tanjaky ny mpampiantrano, izay nanatombo tamin’ny ha­lehiben’ny vatana sy ny hazakazaka. Tsy afa-nanohitra mihitsy ny Malagasy mpilalao tao anaty «avant». Vokatr’ izay, nisesy ireo baolina nentin-tanana, niisa efatra, ka ny telo tsy voatsara ary nitaritan’izy ireo, 22 no ho 0. Tsy nijanona teo fa mbola nanindry hatrany ny Kenyanina ka 2 mn tsy hialana sasatra, nahatsara «hors jeu » iray izy ireo, lasa 25 no ho 0 ny isa, nentin’ny roa tonta niala sasatra. Niezaka nanohitra ihany ry Sarindra sy ry Ginah, nampian-dry Felana fa mafy ny fiarovan-tena sy ny dona nataon-dry zareo Kenyanina.
Fizaram-potoana faharoa, niezaka tsy nifampitakosina tamin’ireo mpifanandrina ary nampiasa tolotolotra tao anaty «trois quart» ny Makis Ladies, saingy tsy nanome elanelana nahafahan’izy ireo hanaovana izany ny Kenyanina. Ry zareo indray aza no mbola nahita baolina nentin-tanana dimy. Hiady ny laharana fahatelo iza­ny ny Makis Ladies, ka hifandona amin’ny The Cranes Ou­ganda, izay lavon’ny Spring­boks, tamin’ny isa 47 no ho 20. Hiady ny ho tompondaka kosa ny Springboks sy i Kenya.

Tompondaka

Partager sur: