Handball – “IHF Trophy” : Nandresy an’i Comores ny Akio, sokajy Cadet

Nisantatra fandresena ny Akio Madagasikara, sokajy Cadet, eo amin’ny fifaninanana amin’ny taranja Handball, “IHF Trophy” faritra fahafito, ho an’ny ranomasimbe Indianina, sokajy zandriny, lehilahy.

Niarina tamin’ny fahavoazany ny Akion’i Ma­dagasikara, sokajy Ca­det, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “IHF Trophy” faritra fahafito, taranja handball, sokajy zandriny, zazalahy. Fifaninanana tanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Omaly, nandritra ny andro faharoa, nivoaka ho mpandresy, tamin’ny isa 37 no ho 27, nanoloana an’i Comores, izy ireo. Niezaka nanatsara sy nanitsy ireo lesoka tsy nety nandritra ny andro voalohany ny Malagasy mpilalao. Na­namafy ny fiarovan-tena ary nanafaingana ny valim-panafihana ny Malagasy. Sahirana ny kaomorianina nanoloana izany. Teo am-pialantsasatra, efa nitarika ny Akion’i Mada­gasikara.
Fizaram-potoana faharoa, vao mainka nanafaingana ny lalao ny Malagasy. Tetsy ankilany, nanary baolina matetika ny kaomorianina ka hain’ny Akio ny namadika izany ha­monoana baolina. Fandre­sena voalohany izany ity ho an’ny Akio, “cadet”, izay hifanandrina amin’i Mayotte, anio. Tsiahivina fa resin’i La Réu­nion ny ekipa malagasy teo amin’ny andro voalohany.

Ho any Togo …
Tsiahivina fa hiatrika ny “IHF Trophy kaontinantaly”, hatao atsy Togo, afaka efa-bolana izay tompondaka amin’ity faritra fahafito ity. Raha ny fanazavana azo tamin’ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny Federasionina, ny alarobia lasa teo, mijanona ho mpandray anjara fotsiny ihany i La Réunion, raha tsy misy ny fiovana farany. Etsy ankilany, maniry ny hanaovan’ny Akio pao-droa amin’ity fifanintsanana ho an’ny faritra fahafito ity, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny Handball, Ra­tsimandao Andriamanga.

Tompondaka

Partager sur: