IOAI Summit : Hatsangana ny vovonana niomerika IA

Tsy afa-miala amin’ny Faharanitan-tsaina artifisialy (IA) intsony ny fampandrosoana sy ny sehatra rehetra, ankehitriny. Anisan’izany ny fambolena, ny fitsaboana, ny fahasalamana, sns.

Notanterahina omaly, teto Antananarivo, ny fihaonambe «IOAI Sum­mit 2026», andiany voalohany, mahakasika ny Fahara­ni­tan-tsaina artifisialy (IA) aty amin’ny ranomasimbe Indiani­na (OI). Nambaran-dRamatoa Cédène Da Silva, CEO ny EDS Group Madagasikara, nikarakara ny fotoana, fa “tsy ho mpanjifa tsotra ny teknolojia niomerika intsony ny afrikana, fa mpandray anjara sady mpisehatra feno mihitsy”. Tanjona amin’ity IOAI Summit ity ny hanangana ny vovonana niomerika IA, ivondronan’ireo mpisehatra isan-tsokajiny. Vovonana hifampidinihana, hikaonan-doha, mamondrona ny mpandraharaha, ny tanora « star-up », ny mpikaroka niomerika, sns. Hifampizara traikefa sy hampitovy fijery. « Fiovana sy fivoarana lehibe ilay atao hoe Revolisionina goavana ny IA hatramin’ny nisian’ny teknolojia niomerika, izay efa lasa andrin’ny fampandrosoana », hoy ihany izy.
Nohitsin’ny tale jeneraly (DG) ny Yas, i Benoit Janin, fa tsy nisalasala nanohana ofisialy ny IOAI Summit izy ireo satria tsy afa-miala amin’ny niomerika ny vanim-potoana ankehitriny. Ezaka maro ny nataon’ny Yas hatramin’izay, nanatsarana ny tambajotra. Maherin’ny 40 000 km ny tambajotra napetraka, an-tanety, an-dranomasina, mampifandray an’i Madagasi­ka­ra amin’izao tontolo izao. Tanjona ny hametrahana tontolo niomerika sahaza ho an’ny mpandraharaha, ny tanora, ny mpamorona, sns.
Rafi-panjakana voalohany
Notsipihin’ny tale jeneraly ny ladoany (DGD), Randrian­jafy Antoine, fa rafi-panjakana voalohany eto Madagasikara mampiasa ny fitantanana niomerika ny Fadintseranana ma­lagasy. Nitondra fivoarana goavana amin’ny fanatanterahana ny asa izany, toy ny lafiny fanaraha-maso, ahafahana misoroka ny hosoka sy ny kolikoly. Nisafidy ny Ladoany malagasy ny Tahirimbola iraisam-pirenena FMI, sady nankasitraka azy ho rafi-panjakana filamatra aty Afrika, satria tsapa fa tena mi­tondra fampandrosoana.

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: