Noho ny olam-piainana tsy mazava: Polisy nitifi-tena tamin’ny Kalachnikov

Maty tsy tra-drano ny polisy iray nitifi-tena, araka ny fampitam-baovao voaray omaly. Tsy fantatra mazava ny antony. Vehivavy namany no niantso tany am-piasany ny mba tsy hanomezana basy azy raha tonga miasa izy, satria manana olana manokana.

Nitifi-tena teo amin’ny lohany ny polisy iray, ny alatsinainy 25 mey lasa teo, araka ny fampitam-baovao voaray omaly. Mpiambina sy miasa ao amin’ny toby fianarana ho polisy ao Antsirabe izy. Voalazan’ny loharanom-baovao fa tonga hamonjy ny «rassemblement général» toy ny mahazatra izy. Anisan’ny polisy miasa ny andron’io ny tenany, araka ny fandaminana.
«Nihazakazaka izy vao tonga tao amin’ny varavarana fanamarinana. Noraisiny ny basy kalachnikov, marika AK 47 vantany vao tonga tao amin’ny birao», hoy ny fanazavana nataon’ireo polisy namany tao an-toerana. «Telo minitra taorian’ny nahatongavany, nalainy io basy mahery vaika io, nataony nifanandrify ta­min’ny lohany ary nitifi-tena izy, tamin’ny 6 ora sy 57 minitra. Vokany, vaky ny lohany, ary niparitaka nanerana ny faritra nisy azy ny ra. Maty tsy tra-drano noho izany, ny tenany», hoy hatrany ny fizaram-baovao.

Olana tsy mazava
Hatreto, tsy mbola fantatra mazava ny antony namonoany tena. Voalaza fa manana olana manokana izy. Nahazo antso avy amin’ny vehivavy iray rahateo ireo polisy namany, tamin’io andro io. Nilaza ity renim-pianakaviana voalaza fa namany ity, ny amin’ny tsy tokony hanomezana basy azy raha tonga any amin’ny birao. Tara ny fahatongavan’ny an­tso, raha ny fanazavan’ny polisy hatrany satria efa avy nitifi-tena izy.
Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny mpitandro filaminana, niaraka tamin’ny BMH, nizaha ny razana. Nampan­dre­nesina mahakasika ny zava-nisy ihany koa ilay vehivavy niantso tamin’ny finday. Olona akaiky ilay polisy rahateo ity farany, satria izy no voarakitra amin’ny tahirin-kevitra rehetra mahakasika ilay polisy, olona antsoina raha sendra voina. Mitohy ny fanadihadiana.

Mino

Partager sur: