Rano madio fisotro : 40% amin’ny mponina no misitraka izany

Fanamby goavana ho an’i Madagasikara ny fisitrahana rano madio fisotro. Mbola ny 40% ny mponina no mahazo izany, raha ny tatitra nataon’ny minisitry ny Rano, ny fahadiovana ary ny fidiovana, ny Dr Razafindrianiaina Minosoa Anja­ratiana Elia, omaly. Antony nahatonga ny minisitera nanatanteraka fivoriambe niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka eo amin’ny sehatra EAH/Wash. Sehatra ahafahan’ny roa tonta mifanakalo hevitra, manao ny tomban’ezaka, miara-mijery ny asa tokony hohatsaraina ary ny fanamby hapetraka mba hisitrahan’ny mponina ny rano. Tanjona ny hamaritana ny asa sy handrindrana ny andraikitry ny tsirairay. Nifanto­hana ihany koa ny fanamafisana ny rafitra fandrindrana nasionaly, ny hamantarana ireo tetikasa mila tohana sy tokony hampitomboina ary ny fampifanarahana ny fandaharanasa amin’ny Politika nasionaly momba ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana (Pneah) sy ny Politika ankapoben’ny fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R). Napetra­ka nandritra ny dinika ny paikady iombonana amin’ny fanatanterahana ireo asa hotanterahina.

Henintsoa

Partager sur: