Tao anatin’ny roa andro, ny 26 sy 27 mey, milanja 9 taonina (t) ny lavanila maitso lafon’ireo mpamokatra tao amin’ny kaominina Antsakoamanondro, distrikan’ Ambanja. Nanomboka omaly, nanatona ny mpamokatra any amin’ny kaominina Ambolikapily sy Ambalahonko ny orinasa Biolandes, manohy ny fividianam-bokatra. Notsindrin’ny lehiben’ny Faritra Diana, ny jeneraly Marovavy Louis Francio, fa «tsy ny fitondram-panjakana akory no mametra ny vidin’ny lavanila». Tolotra sy tinady izy io ka ny mpividy sy ny mpamboly no mamaritra ny vidiny, araka izay ifanarahan-dry zareo. Nafana ny adihevitra momba ny vidin’ny lavanila ho an’ny taom-pamokarana sy ny fanondranam-bokatra ao amin’ ny Faritra Diana. Amidin’ireo tantsaha mpamokatra 200 000 Ar/kilao izany saingy tsy nahasarika mpividy. Ny orinasa Biolandes kosa nanolotra 53 000 Ar/kilao, raha mbola nisy nampidina ny vidiny hatrany amin’ny 2 500 Ar/ kilao. Vokany, very hevitra sy diso fanantenana ny mpamboly. Toe-javatra izay mampitotongana ity seha-pihariana nanana ny lazany teo aloha ity. Marihina fa tafidina hatrany amin’ny 2 500 Ar ny kilaon’ ny lavanila maitso tamin’ny taon-dasa.
Mitotongana
Mandalo krizy goavana ny sehatry ny lavanila eto amintsika noho ny fihenan’ny vokatra naondrana. Milatsaka hatrany amin’ny 21,7% ny taham-panondranantsika lavanila ny taona 2025, izay nisanda 104,2 tapitrisa dolara, raha toa ka 133,1 tapitrisa dolara ny taona 2024. Nihena 2 244, 7 taonina (t) ny vokatra naondran’i Madagasikara raha toa ka 2 876,5 t ny taona 2024. Tsiahivina fa nahatratra 75 000 Ar ny kilaon’ny lavanila maitso nandritra ny taom-pamokarana 2022-2023. Marihina fa miantraika mivantana amin’ny tantsaha mpamokatra ny fitotongan’ny vidin’ ny lavanila ka mampihetry ny seha-pihariana.
Henintsoa




