Raha zohina akaiky ny zava-misy amin’izao fotoana izao, mahazo vahana ny tsy firaharahana ny ain’olombelona. Ny mamono tena mahazo vahana andro aman’alina: ny mihinam-poizina mihinana, ny mananton-tena saika isan’andro, ny mitifi-tena tsy fantatra antony itony manao ny ataony ihany koa. Tsy hita ifanomezan-tsiny moa fa taterina etoana izany mba hampisainana sy handinihan’ny rehetra tena.
Etsy ankilan’izay, tsy azo atao ny mikombom-bava amin’ny afitsoky ny mpamono olona. Tsy vitan’izay fa mbola mandroba sy manolana koa. Sanatrian-dresaka efa mivadika ho bibidia fanahy ilay zanakolombelona. Zary tsy misy hasina ny ain’olombelona. Samy manao izay danin’ny kibony avokoa. Toa mihevitra angaha fa mandeha hoazy ny zava-drehetra. Tena hoe raha maty aho matesa rahavako.
Mifanindran-dalana amin’izay, mirarakompana ny olon-dratsy maty voatifitra sy iharan’ny fitsaram-bahoaka, ankehitriny. Tsy misy ankitsitsy ho setrin’ny asa ratsy ataon’izy ireny. Ny tsy maty manota rahateo mbola tsy resin’ny Fanavaozana amin’izao fotoana izao. Hany ka aleon’ny rehetra tonga dia mametraka fitsarana tsy mandalo fitsarana ara-dalàna. Olana iray hafa mila jerena akaiky rahateo izay.
Tsy azo hamaivanina ny mahakasika ny zava-miseho mahakasika ny ain’olombelona. Raha ny olona samy olona aza tsy mifampitsinjo dia mankaiza izany ny lalan-kombana? Voaozona ny firenena miorina ambony ra latsaka tsy amin’antony. Maika manome vahana ny ratsy ny fanaovana tsinontsinona ny olona izay fanahy. Lahitokana ny aina, tsy hananam-piry. Izay lasa rahateo tsy nisy niverina. Mila fisainana.
Mila miverina an-doharano, mametraka lamina vaovao sy madio ilay Madagasikara. Raha mitohy ny fanaovana tsinontsinona ny ain’olombelona, tsy ho tanteraka izay Fanavaozana! Tsy maintsy mamerin-kasina Ramalagasy.
r.r




