VAOVAO TAMBATRA

Miverina ny delestazy eto Antananarivo. Araka ny fampahalalana avy amin’ny Jirama, tsy tomombana ny milina iray mpamokatra herinaratra ao amin’ny orinasa tsy miankina Symbion Mandroseza, ka banga 9MW ny vokatra hamatsiana ny tambajotra RIA. Nampihatra ny fanapahan-jiro mifandimby na delestazy, ny Jirama, omaly hariva, maharitra 30 mn, nanomboka tamin’ny 5 ora sy sasany hatramin’ny 8 ora sy sasany alina. Vinavinaina hiverina amin’ny laoniny ny famokarana, anio zoma 29 mey.
Tsy maintsy avoaka ho fantatry ny vahoaka ny anaran’ny orinasa manao ny asa fanamboaran-dalana, manomboka izao. Toraka izany koa ny vola hanatanterahina azy, ny injeniera mpanara-maso miandraikitra ny ka­litaon’ny asa. Tsy mijanona ho asa vonjimaika fotsiny ny ataon’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ka kendrena ny kalitaon’ny asa ho maharitra, sy ny vokatra azo tsapain-tanana. Toromarika nomen’ny Filoham-panjakana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ity herinandro ity, ireo.
Misanda 4 840 Ar ny 1 euro, ary 4 185 Ar ny 1 do­lara, amin’ny taham-panakalozana ampiharin’ny Fa­dintseranana malagasy manomboka amin’ny 1 jona ka hatramin’ny 7 jona 2026. Miova isan-kerinandro ny ta­ham-panakalozana eny amin’ity rafi-panjakana ity, fa tsy isan’andro toy ny eny amin’ny Banky foiben’i Madaga­sikara. Ho an’ity farany, nisanda 4 832 Ar ny 1 euro ta­min’ny andron’ny 28 mey teo, ary 4 190 Ar ny 1 dolara.

Partager sur: