“Port secteur III” Antsarakofafa : Hirosoana ny fanesorana ireo mibodo tany

Nidina ifotony nifampiresaka tamin’ny fokonolona voalaza fa mibodo ny tanin’ny Spat ao Toamasina, ao amin’ny “Port sec III” Antsarakofafa, ny OMC ( Organisation mixte de conception) izay nifandrombonan’ny Tafika sy ny polisy ary ny zandary, ny talata 27 mey 2026 teo. Tany voatokana hanaovana tetikasam-panjakana hiantsonan’ny fiarabe mpitatitra entana, manodidina ny 500 isa, sy kaontenera an’arivony izany. Ankoatra izay, hanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ihany koa ny faritra ao Antsarakofafa, misy ny Port Sec III. Mba hanamaivanana ny fitohanana amin’ny Bou­levard Ralaimongo sy Rn2 bis izany. Hametrahana trano fandraisam-bahiny sy fisakafoana ary trano fidiovana ihany koa.
Nambaran’ny préfet mitantana ny tanànan’i Toamasina, Andriamanantsoa Philibert Hervé, nandritra izany fa hametraka fepetra sy hampilaza amin’ireo fokonolona ny tokony hialan’izy ireo amin’ny tany. Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny Spat, Randriambahoaka Anicet, kosa fa hiantohan’ny Spat maimaimpoana ny fandaniana amin’ny fifindran’ireo fokonolona nonina teo. Omena tokotany 250 m3 sy bokin-tany ny ampahany. Mahazo velaran-tany fa saingy mianto-tena amin’ny fikirakirana ny bokin-taniny sy fifindrany kosa ny olona 170 isa.
Misokatra amin’ny Guichet unique ny fisoratana anarana izay manolo-tena hifindra amin’io tany io, Port sec III, ka hifindra any amin’ny Port Sec II. Manomboka ny 1 jona hatramin’y 10 jona izao ny famindrana ireo 100 voalohany, raha ny fanazavana voaray hatrany. Hatramin’ny 17 jona kosa ny fe-potoana farany ho an’ireo izay mbola mikiry tsy mety hiala. Tsy maintsy hisy, araka izany, ny fanesorana ireo izay mbola mikiry rehefa tapitra io fe-potoana io.

Sajo

Partager sur: