Tsena Petite Vitesse : Nandoro kodiarana, nitokona ireo mpivarotra

Niditra an-tsehatra nandrava ny fitokonan’ireo mpivarotra amoron-dalana eny amin’ny Petite Vitesse ny mpitandro filaminana sy ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina, tetsy Soarano, omaly.

Naparitaka tamin’ny alalan’ny rano ireo mpivarotra nitokona teny Soa­rano, boriborintany voalohany, omaly. Naneho ny tsy fankasitrahany manoloana ny famindrana toerana azy ireo, nilanja sorabaventy, nitsoka kiririoka sady nandoro kodiarana ireo mpivarotra amoron-dalana. Mitsipaka ny fanapahan-kevitry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izy ireo. Tsy manaiky ny hametrahana azy ao anatin’ny faritry ny tsena izay efa voatokana ireo mpitokona ireo. Mitaky ny hiverenany hivarotra ankalalahana eny amoron’arabe rahateo ireo mpivarotra ireo. Etsy ankilany, efa nametraka ny mpitantana eo anivon’ny CUA fa ilaina ny fandaminana ny tanàna hisorohana ny tsy fanarahan-dalàna. Voara­ran’ ny lalàna rahateo ny fivarotana eny amin’ny lalana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra sy arabe izay efa voatokana ho an’ny fifamoivoizan’ny fiara.
Niteraka fitohanana

Nosakanan’ireo mpivarotra nitokona ireo ny lalana hifamezivezen’ny fiara, io omaly io. « Hiezaka izahay handamina ary anatin’ny fikaroham-bahaolana hisian’ny marimaritra iraisana », hoy ny lehiben’ny polisy niasa teny an-toerana. Nidina ifotony nandamina ny savorovoro ireo tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina izay notarihin’ny solontenan’ny PDS sy ny talem-paritry ny filaminam-ba­hoaka Analamanga (DSRP1). Tsiahivina fa norarana tsy azo ivarotana intsony ny lalan’ny mpandeha an-tongotra eny Soarano, tapa-bolana lasa.
Tanjon’ny tomponandraikitry ny Kaominina Antanana­rivo Renivohitra ny hisian’ny filaminana eo anivon’ny tanàna sy hisian’ny fanarahan-dalàna avy amin’ny isam-batan’olona.

Tsiferana R.

Partager sur: