Fomba fisaina : Zon’ny vehivavy ny miaina ny fadimbolana

Fanamby lehibe ho an’i Madagasikara ny fananana fotodrafitrasa hampandrosoana ny fiainam-piarahamonina. Nivoitra izany nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny Fidiovana mandritra ny fadimbolana (JMHM), ny 28 sy 29 mey teo, tany Tsiroamandidy, faritra Bongo­lava. Fotoana iray nanentanana sy nanamafisana ny fiaraha-mientana mahakasika ny olana sy ny fanamby mifandraika amin’ny fitantanana ny fidiovana sy ny fahasalamana mandritra ny fadimbolana (GHSM). Kendrena ny handrava ny henatra sy hanova ny fomba fijery ratsy mahakasika izany eo amin’ny fiarahamonina. Nampahafantarana ny momba ny tsingerim-pahaterahana sy nampitana ny rehetra fa zo fototry ny tovovavy sy ny vehivavy ny miaina ny fadimbolana amim-pamendrehana. Lohahevitra napetraka ny hoe “Ndao hiaraka hanangana tontolo manome lanja ny fadimbolana”.
Nisongadina nandritra ny roa andron’ny fankalazana ny fanofanana fanjairana salaka lamba sy fanamboarana savony. Fanomezana fitaovam-pidiovana ho an’ireo vehivavy voafonja sy fikambanam-behivavy. Nentanina momba ny fahadiovana sy fitantanana ny fadimbolana. Tanjona apetraky ny minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy fidiovana (MEAH), izay mpikarakara ny hetsika sy ireo mpiara-miombon’antoka ny hanomezana tontolo madio azo antoka. Eo koa ny manaja ny zo fototry ny tovovavy sy ny vehivavy miaina an-kalalahana ny fadimbolana.

Henintsoa

Partager sur: