Sahy hanova

 

Hanao ahoana ihany ny fikaonandoham-pirenena? Amin’izany, hevitra mandeha etsy sy aroa, ohatra, ny hoe miainga any ifotony, raha tena hanao fanovana na fanorenana ifotony. Ho sahy hiatrika fifidianana, ka ny fifidianana filoham-pokontany no hatao mialoha ny mpanao politika? Aorian’izay, manaraka ny ben’ny Tanàna, dépiote, filohan’ny Faritra… Amin’izay, tsy misy intsony ny sakaizan’ny mpandresy: manaraka ambokony ny loko politikan’ny filohan’ny Repoblika avokoa ny rehetra, ka tsy hita izay tena hery sy fifandanjana politika. Hanova zavatra izay.
Manaiky hotsaraina amin’ny fitsarana tsotra toy izay ho an’ny olom-pirenena ve ny mpanao politika mitetika hahazo fahefam-panjakana? Tsy hohasarotina ny raharaha, ka hoe hampandalovina Antenimierampirenena izay hotsarain’ny Fitsarana avo (HCJ) na tsia. Mba tsy hifangaro ny fahefana mpanao lalàna sy mpitsara. Mbola manana antom-pisiana ve ny HCJ amin’izany? Hanova zavatra koa izay amin’ny manampahefana manao fandikan-dalàna, mihevitra na heverina ho tsimatimanota.
Mifanaraka amin’ny kolontsaina malagasy koa ve, ohatra, ny fianianan’ny tomponandraiki-panjakana isan-tsehatra sy isan’ambaratonga? Saika zary fombafomba… Misy, ohatra, ny manolo-kevitra hoe: nahoana raha hatao manody amin’ny vady aman-janaka sy hananan-tsiny amin’ny razana ny fanaovan-dratsy na fandikan-dalàna: kolikoly, kiantranoantrano, fanodinkodinana volam-bahoaka, fanamparam-pahefana… Ny tody amin’ny vady aman-janaka sy ny tsiny amin’ny razana no araka ny kolontsaina, maharary tsaroan’ny aina, hajaina sy iainana… ?
Ohatra ihany ireo. Tapiany fa tsy tapitra eo. Tena hanova sy hanavao ve? Ny tena ihany no antony… Fahasa­hiana, fijoroana, firosoana… Ny hevitra tera-bary, ka samy mamosaka ny ao am-pony.

R. Nd.

Partager sur: