TSELATRA

Fiara tsy mataho-dalana iray miloko mainty no niharan-doza tetsy Ambohitsiroa, afakomaly maraina ta­min’ny 7 ora sy 45 minitra. Nitrangana lozam-pifamoizana naharatrana olona sy nanimba fananan’olona teo Ambo­hitsiroa, Niseho teo amin’ny lalana miakatra ho any Anjohy ny loza. Niala lalana ny fiara ka nifatratra tamin’ny tranon’­ olona manamorona ny arabe. Vokany, mpandeha iray niaraka tamin’ny mpamily no naratra. Tsy naninona kosa ny olona tao an-trano.

Partager sur: