« Ndao hiady amin’ny fiankinandoha amin’ny nikotina, ny paraky ary ny sigara” ny lohahevitra nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tsy fihinanana paraky sy tsy fifohana sigara. Notanterahina tao Antsiranana ny hetsika. Natao hanentanana ny mponina hiaro ny fahasalamany sy handray anjara amin’ny ady amin’ny voka-dratsin’ny fifohana sigara. Nisy ny diabe namakivaky ny tanànan’Antsiranana, notarihin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. Managna Monira. Nanamafy ny maha zava-dehibe ny fisorohana sy ny ady amin’ny fampiasana vokatra misy paraky, ho fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka sy ny taranaka, ankehitriny sy ny ho avy ireo rehetra nandaha-teny. Nandritra ny fotoana ihany koa no nanolorana loka ho an’ireo ekipa efatra voalohany tamin’ny fifaninanana basikety sady miendrika fanentanana. Nampisongadina ny anjara toeran’ny fanatanjahantena amin’ny fampiroboroboana ny fomba fiaina ara-pahasalamana izany.
Maro ireo tranoheva fampirantiana ka anisan’ny hita tamin’izany ny fanaovana vaksiny miady amin’ny aretina Mpox, ny an’ny fiangonana Advantista ary ny an’ny Ofnalat izay samy nandray anjara tamin’ny fanabeazana sy fanentanana ny vahoaka momba ny fahasalamana. Vonona hanamafy hatrany ny ezaka ho fanatsarana ny fahasalaman’ny mponina, amin’ny alalan’ny fisorohana ny fihinana paraky sy fifohana sigara ary ny fampiroboroboana ny fomba fiaina mahasalama ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
Vonjy




