Manoloana ny goragora sy tandrevaka ataon’ireo mpitondra fiara, nanaitra ny sekoly mampianatra mamily fiarakodia rehetra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mba hanamafy hatrany ny kalitaon’ny fampianarana omena ireo mpianatra.
Tsy mijanona amin’ny fahaizana mitondra fiara fotsiny ny fampianarana fa eo koa ny fanabeazana amin’ny andraikitra, ny fanajana lalàna ary ny fifampitsinjovana eny an-dalambe. Iombonana ny lalana ary natao ho an’ny fiara rehetra ka mila mifanaja sy mifampizara mba hisian’ny fifamoivoizana milamina sy azo antoka.
Tsy ny familiana fotsiny no zava-dehibe fa ny fahafantarana ny maha iombonana ny lalana. Ilaina ny fifampiresahana sy fampianarana amin’ny alalan’ny fitaovana famantarana (clignotants) sy ny fanajana ireo famantarana rehetra eny an-dalana, indrindra rehefa hivily na hanova lalana ny fiara iray.
Tafiditra ao anatin’ity fanentanana ity na ireo mpamily fiara na ny mpamily kodiaran-droa, satria maro ireo tsy mahafehy akory ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ka lasa mitera-doza ho an’ireo manaja izany. Miteraka fikorontanan’ny fifamoivoizana ihany koa ny tsy fahafehezana azy ireny.
Tatiana A




