Fikambanana Fanjiry : Tafatsangana ny sampana Avaradrano

Nametraka tamin’ny fomba ofisialy ny fikambanana Fan­jiry, teny Ambodivoara Ambo­himangakely, ny sabotsy 31 oktobra teo, Ramatoa Ran­dria­nirina Elisa, vadin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika. Nambarany fa tsy mionona ho fikambanana fotsiny ny Fanjiry, fa manana andraikitra ho an’ny fiarahamonina. Natao hitsinjo ny fianakaviana marefo, mba hitondra fampandrosoana maharitra, marina ary mitsinjo ny maha olombelona. Nandray ity andraikitra ity ny vadin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, nanangana fikambanana mavitrika ho eo ani­lan’ny vahoaka mandrakariva. Toy ny tantsaha, ny mpam­boly sy mpiompy, ny mpanao asatanana, ireo olona afaka miasa tsy ankanavaka, indrindra ny vehivavy, izay andrin’ ny fianakaviana sy ny toeka­rena. Laharam-pahamehana ny fahaleovantenan’ny vehivavy. Vonona hanangana fikambanana Fanjiry ireo kaominina miisa 16 ao anatin’ny distrikan’Avaradrano. Nano­trona ity fotoana ireo tomponandraiki-panjakana foibe sy ny eny ifotony, fikambanana sy ONG samihafa isam-pokon­tany sy kaominina. Ankoatra ny kabary nifandimbiasana, nampahafantarina ihany koa ny tetikasa kasain’ny Fanjiry hotanterahina eny Avaradrano.

Njaka A

Partager sur: