Fiompiana : Ahazoana tantely 15 kilao ny tohotra iray

Seha-pihariana mahasoa sady azo haondrana any ivelany ny fiompiana tantely. Mbola kely ny vokatra eto amintsika, ka apetraka ny paikady hampiroboroboana azy.

Natao teto Antananarivo, ny 29 mey teo, ny Dini­ka hampiroboroboana ny seha-pihariana tantely. Efa vita ny dinika natao tany amin’ ny faritra miisa sivy, ka aravona ny angon-kevitra, hamoahana ny fehin-kevitra. Namba­ran’ny sekeretra nasionaly ny Tranoben’ny tantsaha mpamokatra (TTM), Andria­ma­monjy Fidy, fa hoentina ha­roso amin’ny fanjakana, ha­moahana ny Paikady nasionaly momba ny tantely, ny fehin-kevitra azo tamin’ity dinika ity, ahafahana mampiroborobo ny seha-pihariana. Paikady efatra no tena nivoitra avy any amin’ny faritra sivy. Ny fanatsarana ny famokarana, ny lalam-barotra, ny tontolo iainana mahakasika ny tantely ary ny lafiny fifampitondrana. Tsy mionona amin’ny tantely fotsiny no hojerena, fa eo koa ny lafiny fanodinana azy, toy ny famokarana savoka, ny vokatra fanatsarana tarehy sy vatana, savony, sns. Tanjona ny hametrahana mpiompy tantely tena mpandraharaha.
Nilaza ny minisitry ny Fiompiana, Randrianomen­janahary Riana, fa natao ity dinika ity hampandrosoana ny seha-pihariana. Satria, mbola 30 taonina isan-taona ny tantely aondran’i Madagasikara any ivelany. Koa, karohina ny fomba hanitarana sy hampitomboana ny vokatra. Mano­didina ny 11 hatramin’ny 15 kilao ny tantely azo isaky ny tranony na tohotra.
Nihena ny aretina varoazy
Hampiasaina ny famokarana maoderina, toy ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Hanatsara ny fidiram-bolan’ny mpiompy sy hanome asa eny ambanivohitra izany rehetra izany. Nomarihin’ny minisitra ihany koa fa efa nihena ny taham-pahavoazana amin’ny valanaretina varoazy, nanimba ny tantely. Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Tendro mi­tondra fampandrosoana ho an’ny rehetra, « Pôle intégré de croissance » ity hetsika ity.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: