Ombay mitady

 

Mazava indray aloha ny fanambaran’ny kolonely, Filoham-panjakana. Tsy hisy velively ny tetezamiitatra. Tapitra hatreo amin’ny fahavitan’ny fifidianana ny iraka izay tarihiny. Midika izany fa ho hazakazaka arahin-tosika ny zava-drehetra manomboka izao. Antony: henjehina hifanojo amin’ny tokony  ho fahataperan’ny fotoam-piasana ara-dalàn’ny filoham-pirenena, voafidim-bahoaka izany. Ny mpitondra ankehitriny rahateo efa iraha-mahita fa manohy fotsiny ny asan’ny teo aloha fa tsy misy fanavaozana izany. Tsy nisy na iray aza notanterahina ny teny nifanomezana. Na ny fizaran-tseza aza, nijanona ny androatokon’ny olon’ny volomboasary.
Etsy ankilan’izay, mahatsapa tena ho very ny mpanohitra ny fitondrana, ankehitriny. Maro no mimenomenona, mahatsapa ho voafitaka. Navela ho zaza kamboty. Ireo heverina ho tena niady sy nanohana tamin’ny fo dia tavela irery eto an-tanindrazana. Ny tena mahasorena ny mpiaradia maro dia ny fanaovana azy ireo ankilabao. Misy ny fijerena tavan’olona sy fanilikilihana ny samy mpiara-dia. Tsy sakaizan’ny tsy afaka ny mpitarika fa sodokan’ny akanga tsara soratra. Voahilika ny sokajy Madinika sy ny mareforefo amin’ny hoenti-manana. Tsy ampy ny finiavana sy ny hoenti-manana. Ny “manimanitra” sy ny heverina ho “ambonimbony” sy ” mihajahaja” no  maridrefy nametrahana fitokisana.
Olan’ny mpanao politika amin’izao fotoana ny fianteherana amin’ny vola sy fahefana. Tsy misy na zara fa misy ny tia tanindrazana sy ny mpiray tanindrazana aminy. Baikoin’ny fitiavam-boninahitra sy ny hery hita maso. Tsy naman’ny tsy mpandresy izany. Manampy trotraka ny fianteherana amin’ny maty fanahy maha olona. Katsahina sy iaraha-miasa ary homem-pahefana izay azo baikoina sy manompotompo, ary mpanao hozana hozana. Marary aina amin’ny sotro fihinanana fa tsy mangirifiry amin’ny manahirana an’ilay Mada­gasikara sy ny vahoakany. Hadino fa misy olona 30 tapitrisa mahery sahirana sy mila tolo-tanana eto.
Inona moa no hihirahirana izany matetika etoana. Iarahana mahalala fa maniry fiovana anaty fanatsaram-piainana ny Malagasy tsivakivolo. Miandrandra fiovan’ny mpanao politika mba tena hitsinjo azy ireo. Tsy misy olona tsy tia sy tsy mitady vola fa tsy tokony ho ambanin-javatra ny tombontsoa iraisana sy iombonana. Ny fanavaozana andrasana dia tsy paradisa anatin’ny volana vitsivitsy akory, fa fisainana resy lahatra fa i Madagasikara dia mendrika homen-kasina. Ny vahoaka malagasy dia sahaza haja manokana. Ny hanaovany ombay mitady izao dia io fomba fisainana mametraka ny firenena sy ny olom-pirenena ho lohalisitra amin’ny fitadiavana tombontsoa io aloha. Rehefa milamina ireo, manaraka hoazy ny zava-drehetra.

r.r

Partager sur: