Sekolin’ny baolina kitra JSEM : Mankalaza ny fahadimy taona nijoroany

Tontosa ny sabotsy sy alahady teo, tetsy amin’ny Kianjan’i Betongolo, ny ivon’ny fankalazana ny faha-5 taonan’ny sekolin’ny baolina kitra JSEM. Fotoana nifaninanana teo amin’ny baolina kitra ho an’ireo katitakely latsaky ny 13 taona. Miisa 94 ireo mpandray anjara tamin’izany. Amin’ny novambra 2026 ho avy izao ny famaranana ny fankalazana. «Tanjona ny fam­pitomboana traikefa an’ireo sekolin’ny baolina kitra misy eto Antananarivo sy ny manodidina », hoy ny fanazavan’ny talen-tsekoly, Rasoloherima­nalina Tanjona. Tsikaritra ho tsy ampy ny fifaninanana ha­tramin’izay, fotoana izao hampivoarana ny talentan’ireo katitakely ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany. «Rehe­fa zatra manao fanadinana ny mpianatra dia mitombo tahaka izay koa ny fahaizana», hoy ihany izy. Nambaran’izy ireo hatrany fa misy antenaina ho taninketsan’ny ekipam-pirenena any aoriana, raha ampy ny fampiofanana ireto katitakely ireto. «Ny teny mahasarika fa ny atao mahatarika, io ny teny filamatra mandritra ny fanamarihana ny fankalazana», hoy kosa ny sekretera jeneralin’ny Fief Mada, Solofo Nandrianina Rabetokotany. Nohamafisiny fa tsy amin’ny alalan’ny teny ihany no hanaovana fanabeazana fa mila mampiseho ohatra ny tsirairay. « Miainga avy any ifotony ny fanabeazana ary misy fitsipika entina hanabeazana ireo katitakely ireo mba hoentiny eny anivon’ny fiarahamonina sy faritra misy azy eny », hoy ihany izy. Nanampy tamin’ny fikarakarana izao fifaninanana izao ny teo anivon’ny Fief Mada.

Mino

Partager sur: