Toamasina : Manao ranolava ny fanafihana mitam-piadiana

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin’ny renivohitr’i Betsimisaraka sy ny manodidina, tato anatin’ny volana vitsy, taorian’ny ri­vondoza Gezani. Anisan’ izany, ny fanafihana mitam-piadiana sy ny fandrobana ary ny asa fanendahana. Trano fandraisam- bahiny iray ao Ambolomadinika, parisela 21/32, indray no norobain’ny jiolahy miisa 10 ny alin’ ny alahady hifoha alatsinainy 25 mey lasa teo, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Efa niandry teo ivelany ireo olon-dra­tsy, vao nisokatra ny varavarana dia noteren’izy ireo hanome ny vola rehetra ny tomponandraikitra. Tao anatin’ny 30 minitra ny nanaovan’izy ireo ny asa ratsy. Mpifankatia hamonjy fodiana avy namonjy lanonana tao amin’io trano fandraisam-bahiny io no nosakanan’ireo jiolahy ireo, taorian’izay. Nandeha bajaj ireto farany no voaroba. Lasa, ta­min’izany, ny finday sy ny vola rehetra.
Ankoatra izay, mpiasa iray amina banky no miara-miasa amin’ny jiolahy hanao ny fandrobana olona avy maka vola, raha ny fanadihadiana natao. Raim-pianakaviana iray avy naka vola mitentina 85 tapitrisa Ariary tamin’ny banky no nandrasan’ny jiolahy miisa enina, kendritohina, ny zoma 22 mey lasa teo. Nandray taksiborosy ho any Mahanoro ity farany taorian’izay. Niandry teo amin’ny banky ny iray ta­min’ireo jiolahy ary niandry teny amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy ny dimy ambiny. Olona akaiky ny iray tamin’ireo jiolahy ity raim-pianakaviana ity ka naviliny lalana mba hialana tamin’ny fahavoazana. Voasoroka ny fanafihana nokasaina hatao.

Sajo

Partager sur: