Lehilahy iray hitan’ny zandarimariam-pirenena avy amin’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny nanosika moto teny an-toerana, ny alin’ny 31 mey hifoha 01 jona 2026 teo. Nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana ity lehilahy ity. Nazerany ny moto rehefa nahita ireo zandary izy ary lasa nitsoaka. Nentina eny anivon’ny biraon’ny zandary ilay moto miandry ny tompony.
Zazalahy manodidina ny 5 taona, tombanana ho maty an-drano tany amin’ny fokontany Tanambao Sotema, afakomaly. Nampiahiahy ny ray aman-dreniny ny fomba nahafatesany. Tombanana ho nisy namono izy. Nisy ankizy niantso mba hilalao izy, nefa tsy niverina intsony ora maro taty aoriana. Natao ny fikarohana saingy efa maty tany amin’ny hopitaly Androva ilay zaza.




