VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra 45,8% ny fahavitan’ny «voie rapide», amin’ny ampahany voalohany mirefy 80 km. Nomen’ny fitondram-panajakana Fanavaozana anarana hoe «vie rapide» ity lalana miainga eto Antanana­rivo ity fa tsy «autoroute» na arabe migodana intsony. Mi­ainga eny Ambodifasina ny PK0 hatrany Anjozorobe. Mirefy 55 km no vita amin’ny 70 km, ka mahatratra 19 km no efa voarakotra godirao. Mirefy 25 km ny vita so­sona fototra ambony, 31 km ny sosona fototra ambany.

Hanampy an’i Madagasikara hanarina ny zotran-dalamby FCE, eo Fianarantsoa hatrany Mana­kara, ny Banky iraisam-pirenena. Efa najoro handrindra ny asa ny vaomiera manokana «Task Force» eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM). Misedra olana tanteraka ny FCE satria efa antitra ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana. Iray sisa ny loha-masinina miasa sady simba lava, noho ny tsy fisian’ny hoenti-manana.

Tafapetraka ny rafitra Politikan’ny solika ho an’ny mpanjifa, eo anivon’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH). Ahitana taridalana stratejika efatra izy ity. Ny famatsiana maharitra sy azo antoka ny angovo, ny fanokafana bebe kokoa ny fandraharahana ara-tsolika, ny fametrahana ny mangarahara sy fitantanana mahomby ary ny firosoana any amin’ny angovo azo havaozina, hiarovana ny tontolo iainana.

Partager sur: