Hiainga eto Antananarivo ny fiarabe hitondra ny gropy mpamokatra herinaratra ho any Antsiranana. Miisa 8 izy ireo, ka mamokatra 800 KW ny roa, raha 500 KW ny enina. Izany hoe, mitotaly 4 600 KW ny tanjany. Nambaran’ny Tale jeneraly lefitra misahana ny Herinaratra (DGA Elec) ao amin’ny Jirama, Manda Ny Aina Nomena, fa hanampy ny efa any an-toerana, izay efa mamokatra 2 400 KW, ka ho 7 000 KW izany ny fitambaran’ny herinaratra vokarina. Azo antoka fa ho foana tanteraka ny delestazy any Antsiranana satria ampy tsara ireo vokatra ireo, hamatsiana ny any an-toerana.
Maharitra telo na efatra andro eo ny fotoana hitateran’ny fiarabe ireo gropy ireo. Nomarihiny koa fa efa miaraka amin’ ny fitaovana sy ny kojakoja ilaina izany, toy ny fanapihana mampandeha ny herinjiro (disjoncteur), ny sinibe hitahirizana ny solika mampandeha ny milina, sns. Rehefa tonga any Antsiranana ireo fitaovana ireo, dia misy ny fotoana kely hikarakarana ny fampandehanana azy.
Njaka A.




