Maninana na mihantsy ny fitondram-panjakana mihitsy ireo mpamono olona, ankehitriny. Vao ny alahady teo no hentitra ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ny amin’ny fanasaziana ireo mpamono olona manana toe-tena varira. Toa antso an’efitra anefa no natao satria ny alatsinainy teo dia efa nisy indray ny fakana an-keriny zaza varira 3 taona, tao amin’ny fokontany Tsihiriky, kaominina Tanamary, distrikan’i Beroroha, araka ny tatitra nataon’ny filohan’ny Fikambananan’ny olona manana toe-tena varira, i Soja Fulgence. Olona 3 lahy nirongo basy no voalaza ho naka an-keriny izany zaza izany. Rehefa natao ny fanarahan-dia, hita ary velona soa aman-tsara ilay zaza, omaly.
Tsy fantatra kosa izay tompon’antoka tamin’ny asa ratsy. Afaka mahazo vokatra ihany ny mpitandro filaminana rehefa misy ny fanerena avy amin’ny fanjakana.
Na dia nolazaina aza fa efa nisy 8 voasambotra tamina fanapahan-dohan’ny olona varira, ny herinandro teo, dia tsy ampy hahafay ny mpanao ratsy izany. Tsy maharesy lahatra ny olona manana toe-tena varira raha tsy aseho miharihary ny olona tompon’antoka amin’ity famonoana olona misesy miseho any Atsimo ity. Miandrandra ny hivoahan’ny olona ambony, atidoha mpamono olona varira, ny vahoaka fa tsy mionona fotsiny amin’ny hoe niasa ny mpitandro filaminana ary avotra ilay zaza.
Tatiana A




