Fahasalamana : Zava-dehibe ny fitantanana angon-kevitra

Manampy betsaka amin’ny sehatry ny fahasalamana ny fananana angon-kevitra. Antony hanohanan’i Etazonia ny tetikasa fitantanana izany.

Miditra tsikelikely ana­tin’ny fahamatorana eo amin’ny fitantanana angon-kevitra, eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, i Madagasikara. Zava-dehibe ny fananana izany amin’ny fanaovana tombana sy vinan’asa eo amin’ity sehatra ity.
“Mitondra fanampiana ho an’i Madagasikara izahay mba hahatonga azy hahavita tena rahampitso”, hoy ny lefitry ny masoivoho amerikanina, mpisolo toerana, i Richard Hays. Nandritra ny asa fankatoavana ny paikady vaovaon’i Ma­dagasikara momba ny fitantanana ny angon-kevitra ara-pahasalamana, omaly, no nilazany izany.
Hitondra an’i Madagasi­kara ho azo antoka kokoa sy ho salama ary afaka hitantana amin’ny fomba mahomby ireo fanamby ara-pahasalamana eto an-toerana izany.
Mamaly ireo fanamby ireo ity Politika vaovao momba ny fitantanana ny angon-kevitra ara-pahasalamana ity, amin’ny alalan’ny fametrahana fomba fiasa iombonana mom­ba ny fisitrahana sy fiarovana izany ary ny fiarovana ny tsiambaratelon’ny marary.
Rehefa afaka mitsirika sy mifehy haingana ireo ambana ara-pahasalamana, toy ny pesta sy ireo areti-mifindra vao miseho ny eto Mada­gasikara, dia sady miaro ny firenena malagasy sy ny faritry ny ranomasimbe Indianina no manampy amin’ny fametrahana rafitra fanairana mialoha ho an’ny fiarovana ara-pahasalamana maneran-tany ihany koa.
Manampy an’i Madagasi­kara amin’ny fitantanana ny rafi-pahasalamana eto an-toerana sy manatsara ny fepetra hisian’ny fiaraha-miasa ara-toekarena mafy orina eo amin’ny firenena roa tonta ity tetikasa tohanan’ny governemanta amerikanina ity.
Ampiharina manerana ny tobim-pahasalamana, ma­nom­boka eny ifotony hatrany amin’ny hopitaly lehibe, araka izany, ny fanatsarana ny angon-kevitra mba hahitana vokatra tsara amin’ny antontanisa sy ny karazana tran­gan’aretina mila anaovana ezaka manokana.

Tatiana A

Partager sur: