Hitondra fampianarana manokana ho an’ireo mpandraharaha eto Madagasikara ny Dr Michael Reeves, izay mpandraharaha matihanina any ivelany sady filohan’ny Union school of theology.
Kendrena amin’izany ireo kristianina mpandraharaha eto Madagasikara handray ny fifampizarana. Tanjona ny hahasahiana mijoro sy mitondra fampandrosoana tena izy, tsy misy fanambakana fa manana ny fijery marina sy mahitsy.
Mikarakara ity hetsika ity ny Madagascar 3M izay mikatsaka fampandrosoana ary miara-miasa amina mpiara-miombon’antoka maro. Tokony hitondra fiovana ny kristianina na eny amin’ny fiarahamonina na anaty fikambanana sy orinasa. Tokony hanana fitondrantena mifototra amin’ny fahamarinana. Ny kristianina no tokony hitondra ny fampandrosoana lovainjafy izay voizintsika amin’izao fotoana. Hanombohana izany ny fandraisana anjaran’ireo mpandraharaha mahajoro amin’ny maha kristianina izay hanovo fahalalana miaraka amin’ny Dr Michael Reeces ity.
Tatiana A




