Maty tao amin’ny reniranon’Ikopa : Vehivavy nitambotsotra teo am-panasana lamba

Namoy ny ainy rehefa nitambotsotra tampoka teo am-panasana lamba ny renim-pianakaviana iray 55 taona, omaly maraina, tetsy amin’ny ranon’Ikopa Andohatapenaka. Nianjera izy ka latsaka tao anaty rano ary maty tao.

Renim-pianakaviana iray 55 taona, maty an-drano tao amin’ny ra­non’Ikopa, tetsy Andohota­penaka, ampitan’ny Gara Maki, omaly tamin’ny 8 ora sy sasany maraina. Nanasa lamba teny amin’io rano io izy no nitambotsotra tampoka, ka latsaka tao anaty rano, raha ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso. Nilentika izy ka lasa tamin’ny toerana lalina. Nian­tso vonjy ny mponina teny amin’ny manodidina rehefa nahita izany. Nifam­pisinto­man’ny olona izy fa votsotra hatrany. Natao ny fikarohana azy ary olona efa tsy nahatsiaro tena no nampiakarina avy ao anaty rano. Nanapa-kevitra ny nanatitra azy teny amin’ny hopitaly manara-penitra ­An­dohatapenaka ny fokonolona. Natao ny fizahan’ny mpitsabo ary efa tsy avotra intsony ity farany. « Sempotra tao anaty rano ity renim-pianakaviana ity no nitarika azy tamin’ny fahafatesany », raha ny fizahan’ny mpitsabo ny razana.
Nampandrenesina mahakasika ny zava-nitranga ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP7. Tsy niandry ela fa tonga nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana izy ireo taorian’ny antso.

Nisy aretina mitaiza
Nambaran’ny fianakaviany tonga naka ny razana teny anivon’ny hopitaly Manara-penitra fa matetika manasa lamba eny amin’ny ranon’Iko­pa io renim-pianakaviana ni­ha­ran-doza io. Manana aretina mitaiza toy ny tosidra miakatra izy. Ankoatra izay, nambaran’ny mponina teny an-toerana fa toerana misy fady sy tsy tia vahiny iny ra­non’Ikopa iny ka ilaina fitandremana ho an’ny tsirairay mampiasa ny rano. Noha­mafisin’ny olona ihany koa fa anisan’ny toerana ahitana olona betsaka maty an-drano ny ranon’Ikopa. Efa miha lalina ihany koa ny rano noho ny hamaroan’ireo mpaka fasika sy mpanao biriky eny an-toerana.
Marihina fa efa nalain’ny fianakaviany moa ny razana, omaly ihany. Monina sy mipetraka eny amin’ny fokontany Andohatapenaka izy. Manam­ba­dy ary namela zanaka miisa telo.

Mino

Partager sur: