Misalobon-komana!

 

Tsy misy andro iray angamba tsy ahenoana fifandiran-kevitra eto amin’ity firenena ity. Manomboka amin’ny rafitra an-tanantohatra ambany izay, hatrany amin’ny fara-tampony. Miverina indray ny tsy fitoviam-pijery sy filalaovana lalàna ataon’ny mpahay an’izany. Tsy hay intsony, iza no tompon’ny marina sy ny tena izy? Samy mitondra ny lohany avokoa. Tsy mahagaga raha mivaralila ny fandehan-draharaha isan’ambaratongany eto amin’ny firenena. Manomboka any ifotony hatrany an-tampony.
Ny tandroka aron’ny vozona moa izao efa mpiantsehatra politika tanteraka. Lohalisitra amin’ny famikiran-toerana. Ny arofanina indray itony no misambadidaka ambony ambany. Ny lehibe natao hikombom-bava no ampangaina ho mpitati-bolana, tsy manaja ny mpiray andrimpanjakana. Entanentanin’ny fitiavan-tena sa ny fitiavana hisolelaka sa fiarovan-tseza tsotra izao? Sanatrian’ny vava re ka mamarina an-kady ilay tanindrazana iombonana noho ny izaho aloha vao isika.
Raha ny zava-misy ankehitriny, mampanahy be ihany ny ho fivoaran’ny tanàna. Raha mitohitohy izao zava-misy izao, hiditra any amin’ny gaboraraka tanteraka i Madagasikara. Ny samy lohany ato no mifanenjan-tady. Samy mivoy izay tiany hivoizana ny zava-drehetra. Avy eo manao fangalam-piery sy ankanenjika manerana ny tanàna dia miafara any am-ponja. Manahirana ny miresaka ny raharaha fa tsy maintsy taitairina ny rehetra mba ho tonga saina satria lasa sorona ny tanindrazana.
Tsy misy ny maharitra mandrakizay, fa ny fahaizana miara-miaina anaty fifanajana no zava-dehibe. Dingana iray tsy maintsy hialana mandritra ny Fanavaozana ny fanaovana ny fitantanana ny firenena ho raharahan-tokantrano. Aiza ny vadin’ny sasany ihany no apetraka ho tompon’ny lakile amin’ny toeran-kafa. Tahaka ny hoe tsy mba manana olona hafa mihitsy ilay Madagasikara. Betsaka ny mahay sy olona madio, tsy avela hahita rirany fa samy misalobon-komana!

r.r

Partager sur: