Ravan’ny zandarimaria ny fikambanan-jiolahy nandroba fiara nitondra PPN tao amin’ny fokontany Ambohimarina, kaominina Mahavelona-Foulpointe, afakomaly. Kamiao lehibe iray nitondra entana hamidy niharan’ny asa ratsin’ireo jiolahy ireo. «Nihanika avy hatrany tamin’ny vatan’ilay fiara izy ireo ary nanararaotra naka ny entana ny alin’ny alakamisy 28 mey lasa teo», hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Foulpointe. Nanararaotra ny haratsian-dalana amin’ny lalam-pirenena fahadimy rahateo ireo mpanao ratsy ireo, araka ny fanampim-panazavana. Nahatsikaritra anefa ny mpamilin’ny fiara fa niharan’ny fandrobana izy ireo ka nampandre avy hatrany ny manam-pahefana. Niroso tamin’ny fikarohana ireo nahavanon-doza ny tomponandraikitra ao an-toerana. Andro vitsy taorian’ny fandrobana, voasambotra avokoa ireo nandray anjara mivantana tamin’io fangalarana io. Tratra teny amin’izy ireo ny ankamaroan’ny entana. Natolotra ny fampanoavana ireo dimy lahy ary tazomina vonjimaika any am-ponja.
Tsiferana R.




