Tobim-pahasalamana miisa telo ao Toamasina no nisitraka fampitaovana sy fiofanana avy amin’ny tetikasa « Volobe » hanohanana sy hamaliana ny filan’ny mponina eny ifotony.
Manohana ny sehatry ny fahasalamana eny ifotony ny Compagnie générale d’hydroélectricité de Volobe (CGHV) tamin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny fampitaovana ny tobim-pahasalamana fototra (CSB) miisa telo ao amin’ ny distrikan’i Toamasina II. Tafiditra ao anatin’izany ny CSB II Fanandrana, ny CSB II Ambodilazana ary ny CSB I Ambodikily. Hetsika natao ny 11, 12 ary 15 mey, izay tafiditra amin’ny fandraisana andraikitra ara-tsosialin’ny orinasa amin’ireo vondrom-piarahamonina ao amin’ny faritra iasany, izany. Niainga tamin’ ny famantarana ny filana fototra ny tetikasa, niarahana tamin’ny Assistance Plus, ny volana novambra 2025. Niara-niasa tamin’ny Sampandraharahan’ny fahasalamam-bahoaka ao amin’ny distrika (SDSP) Toamasina II sy ny mpitsabo ao an-toerana ihany koa ny CGHV tamin’ny fanatanterahana izany.
Fanofanana
Nifantoka tamin’ny fahaiza-manao ilaina amin’ny asa andavanandro kosa ny fiofanana narahin’ireo mpiasan’ny fahasalamana. Nisy ny fampiharana mivantana natao mba hahafahan’izy ireo mampiasa avy hatrany ny fahalalana azony. Ankoatra izay, nisitraka fampitaovana samihafa ireo CSB telo. Fitaovana hanampy amin’ny fikarakarana sy fitsaboana marary. Tanjona, hoy ny CGHV, ny hanamafy ny fahafahan’ireo tobim-pahasalamana hanome tolotra tsara sy mifanaraka amin’ny filana ao an-toerana. Nohamafisiny ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka eny ifotony hamaliana ny filan’ny mponina.
Henintsoa




