Vondrona eoropeanina: Nodinihina ny tetikasa « Fly Over »

Noraisin’ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafefi­manana Sambilason Richard, ny 1 jona teo, ny delegasionin’ ny Vondrona eoropeana (UE), notarihin’i Roland Kobia. Noresahina ny sehatry ny la­lana rehetra tohanan’ity vondrona iraisam-pirenena ity. Anisan’izany ny fandrafetana ny Tahirimbola ho an’ny lalana (Fond routier), ny fampiasana ny vola ho an’ny fikojakojana ny lalana. Noresahina ihany koa ireo asa efa mandeha tohanan’ny UE, toy ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-6 (Ambanja-Antsiranana), ny RN12A, ny RN13 (Ambovombe-Taolagnaro), Anisan’ny nifampidinihana ny fanatanterahana ny tetikasa “Fly Over”, eny Ano­sizato sy Ampasika, hama­hana ny olan’ny fitohanan’ny fifamoivoizana amin’ireo faritra ireo. Eo koa ny fanarenana ny tetezana Ifasy sy Maha­vavy (RN6) izay samy simban’ ny rivodoza nifanesy teto amintsika. Noresahina koa ny fanohizana ny fanarenana ny RN9 (Bevoay-Manja).

Harahi-maso ny vesatry ny fiara

Tafiditra tao anatin’ity di­nika ity koa ny fiarovana ma­haritra ny lalana. Hisy ny fanentanana
ireo mpampiasa lalana, toy ny mpitatitra sy ny fiarabe. Satria, ny vesatra tafahoatra entin’ny fiara no anisan’ny tena manafaingana ny fahasimban’ny lalana, raha tsy hitanisa afa-tsy ny eny amin’ ny RN2. Midika izany fa haverina ny fampandehanana ny Ivontoerana fandanjana ny vesatry ny fiarabe isaky ny lalam-pirenena. Farany, ha­tomboka ny fandaharanasa nasionaly ho an’ny fitaterana eto Madagasikara.

Njaka A.

Partager sur: