Hisy… Tsy hisy… Resabe ny mahakasika ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana ilay fikaonandoham-pirenena. Toa maro ny antony mampikatso azy: vola, fitaovana, indrindra ny finiavana. Ity farany angamba no lehibe indrindra. Raha vola zarazaraina maimaimpoana angamba tsy ahafahana milaza fa misedra olana amin’ny hoenti-manana. Ny vola misy fa ny hanaovana azy no tsy misy mahafoy. Mahavaka ny saina ny fizotry ny zava-drehetra. Tena mitohy ny filalaovana politika, tsy mijery vahoaka. Samy tompon’andraikitra avokoa na ny mpitondra, mpanao politika, hatramin’ny mpitondra fivavahana. Manadino Ilay vahoaka aloha.
Na izany aza, mahavelombolo ny fisian’ilay dinika tao anaty trano mihiboka, teny an-dapa, omaly. Vava asa, hono, iny! Hinoana fa hizotra araka ny tetiandro ny fametrahana ny lalan-kizorana. Zary mihantona ny zava-drehetra. Manome vahana ny honohono ka manakorontana firenena. Toa hataon’ny sasany fitadiavam-bola sy hampisambadidahana ny firenena fotsiny ilay tetezamita. Lasa ny kajy manokana no mandeha aloha? Hadino fa misy an’izany Madagasikara izany miandry fahatsapan-tenan’ny rehetra. Toa variana amin’ny anio ao an-tokantranony isika mianakavy.
Mandeha aza any ambadimbadika any ny fifanarahana politika avo lenta. Mazava aloha ny an’ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa “ni”…”ni”, indray no malaza. Tsy ho afa-milatsaka, hono, izay mitondra ankehitriny sy ry zalahy naongana. Efa mipoipoitra eny ny Malagasy karana. Izay tsy vao izao akory no efa manam-paniriana ny hilatsaka hofidina ho Filoham-pirenena. Tsy iray na roa akory fa maro mihitsy. Toa manamafy izany ireny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena tany Mahajanga ireny. Malagasy avokoa na vazaha na karana eto Madagasikara. Manao antso avo mihitsy izy mba hiarovana sy tsy hankahalana azy ireny.
Handrasana, araka izany, ny firosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena. Mandritra izany no ahafahana mamaritra ny hitondrana ny raharaha. Ho hita eo izay gasy na vazaha. Mahasadaikatra ihany manko raha lazaina fa tsy malagasy ilay filoha taloha kanefa saika manana zom-pirenena roa na telo izato voizina ho gasy… Tena ilaina Ilay fikaonandoha fa hanahirana izy ity raha hifampijerena tavan’olona lava eto. Haravona indray mandeha ny zava-drehetra dia milamina io.
r.r




