Naratra mafy, niharan’ny fitsaram-bahoaka, ny lehilahy iray 35 taona, tany Ampasitapaka, kaominina Anjiajia, disitrikan’Ambatoboeny, afakomaly. Noheverin’ny olona ho dahalo izy ka nifanenjehan’ ny fokonolona novonoina. Vokany, voafira tamin’ny antsy ny lohany, ny tarehiny, ny tanany, ny lamosiny ary ny tratrany. Mponina avy ao Ankazoabo, kaominina Ambesisika, ity niharam-boina ity. Noentin-javatra izy ka niala ny tranony niaraka tamin’ny lamba sy tsihy. Tonga tany amin’ny fokontany Ampasitapaka, kaominina Anjiajia, izy vao tonga saina, tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Niverina nody taorian’izay, saingy notsenaina sy novonoin’ny fokonolona. «Nivoaka ny trano aho ary nivimbina lamba, tsihy, tany an-toeran-kafa aho vao tonga saina», hoy ny fitantarany. «Niandry sarety handeha hody aho no nolazain’ny lehilahy miisa telo ho dahalo ka niantsoan’izy ireo fokonolona», hoy ihany izy. Niezaka nanazava ny tenany fa tsy nohenoin’ny olona. Niezaka nandositra sy nanavotra ny tenany izy saingy tratran’ny mponina ihany ary niharan’ny vono. Tonga teny an-toerana ny zandary nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana sy nanajanona ny fikasihan-tanana nataon’ ireo fokonolona azy. Nentina notsaboina ao amin’ny hopitaly Androva, Mahajanga, ny tenany taorian’izay.
Taorian’ny nanjo ity lehilahy niharan’ny fitsaram-bahoaka ity, nijoro ireo fikambanana niaro azy. Voalaza tamin’izany fa tsy olon-dratsy io lasibatry ny vono io ary misy zavatra manaloka azy indraindray ka antony mahatonga azy ho tsy tompon’ ny tenany. Mitaky ny handraisana fepetra mahakasika ireo olona nahavanon-doza izy ireo.
Mino




