Telo lahy voasambotra; Ankizivavy voarasa antsy teo amin’ny tendany

Nolerana zava-maranitra, norasaina antsy teo amin’ny tendany, ny ankizivavy iray vao 15 taona, tao amin’ny kaominina Fihaonana, afakomaly. Nosamborina ny sakaizany sy ny roa lahy hafa.

Niniana novonoina sy nanaovana filan-dratsy ahina ho naolana, hita faty, ny ankizivavy iray 15 taona, tao amin’ny fokontany Andranovelona, kaominina Fihaonana, distrikan’Ankazo­be, afakomaly. Niala tao amin’ ny trano fonenany izy, ny ala­tsinainy 1 jona, tamin’ny 12 ora atoandro. Tsy niverina nody intsony. Nampiahiahy ny fianakaviany ny tranga ka nametraka fitarainana teny anivon’ny manam-pahefana izy ireo taorian’ny tsy fodian’ilay zaza, nandritra ny alina. Nametraka ny ahiahiny ta­min’ny sakaizan’ny zanany avy hatrany ny ray aman-drenin’ilay ankizivavy. Niditra an-tsehatra nanao ny famotorana ny zandary ka nosamborina ilay lehilahy. Natao famotorana izy ka nitoroka ny toerana nisy ny vatana mangatsiakan’ilay ankizivavy. Nahi­tana ratra ny vatan’ity farany sady norasana antsy teo amin’ny tendany. Nanaovan’ny nahavanon-doza ny filan-dratsiny koa ny lasibatra, araka ny fizahana nataon’ny mpitsabo.
Telo lahy
Nandritra ny fotoana na­naovan’ny tomponandraikitra ny famotorana, nitoroka roa lahy hafa ilay sakaizan’ilay ankizivavy hita faty. Voasarin­gotra tamin’io tranga vonoan’olona io ireo roa ka niditra an-tsehatra tamin’ny fisamborana azy ny tomponandraikitra. Samy tanora vao erotrerony avokoa ireo telo lahy notanana vonjimaika. 22 taona ilay sakaizan’ilay ankizivavy raha toa ka sa­my 18 taona ireo roa lahy hafa voatonona anarana. Tetsy anki­lany, saron’ny mpitandro filaminana tsy lavitry ny toerana na­hitana ny nofo mangatsiakan’ilay niharam-boina ny antsy nam­piasain’ireo tsy valahara. Andra­sana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

 

Partager sur: