Ampefiloha: Lehilahy iray namono tena, voahitsaky ny fiara

Lehilahy iray tokony ho 38 taona namono tena, nitsoraka tao ambany fiara mpitatitr’ olona zotra 009, marika Mer­cedes, afakomaly hariva, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. Niseho tetsy Ampefiloha, akaikin’ny lalamby mihazo an’Andavamamba, ny loza. Voahitsaky ny kodiarana ao­rian’ilay fiara ny lohany ka vaky, niparitaka tamin’ny arabe ny ra. Niezaka namonjy ity farany tany amin’ny hopi­taly HJRA Ampefiloha ny mpa­milin’ilay fiara, saingy tsy tana teny an-dalana ny ainy.
Nandeha an-tongotra avy any amin’ny sisin-dalana ankavanan’ny fiara ity lehilahy namono tena ity, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny olona nanatri-maso teny an-toerana. Nitsoraka tampoka tao ambanin’ilay fiara izy vantany vao nandalo teo akaikiny. Avy any Ampefiloha hihazo an’Andavamamba ilay fiara nitera-doza. Tsy tafala io namono tena io ny mpamily na dia niezaka ihany aza, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Somary nisy fitohanana madinika ny lalana nandritra ny loza. Tonga teny ifotony nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana ny polisy avy amin’ny CSP 4. Efa nentina eny amin’ny tranom-patin’ny HJRA ny razana. Marihina fa mpanadio tanàna ary monina ao amin’ny fokontany Mana­rin­tsoa Centre, ity lehilahy maty voahitsaky ny fiara ity. Efa nentina nanaovana fanadihadiana eny amin’ny biraon’ ny polisy kosa ilay mpamily, izay 29 taona, taorian’ny tranga.

Mino

Partager sur: