Manoloana ireny faharesena tany Maroc ireny, nivoaka amin’ny fahanginany ny mpanazatra Barea, Corentin Martins, omaly, tao amin’ny pejin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF).
“Fialana bala ve ”? Taorian’iny faharesena, 4 no ho 0, azon’ ny Barea teo anatrehan’i Maroc, nilaza ny mpanazatra ny ekipa nasionaly Barea, i Corentin Martins, omaly, tao amin’ny pejin’ny FMF, fa tsy nitovy tamin’ny an’i Maroc ny fanomanan’ny ekipam-pirenena malagasy an’iny lalao iny. “ Tokony ho niomana tahaka ny nataon’ny mpifanandrina isika, tsy izay anefa ny zava-nisy”, hoy ity teknisianina frantsay mitondra ny Barea ity.
Raha ny fanazavana nataony, nifandona tamin’ny ekipam-pirenena fahafito maneran-tany, izay manomana ny fiadiana ny amboara maneran-tany, ny Barea. Notsiahiviny fa efa maherin’ny herinandro ny Lion de l’Atlas Maroc no nanao fampivondronana.
Ny mifanohitra amin’izany kosa ny zava-misy ho an’ny Malagasy mpilalao, izay efa nisy tamin’izy ireo no nandeha niala sasatra talohan’ny fanomanana an’iny fihaonana iny.
Nomarihiny ihany fa tombony lehibe ho an’ny Barea ny niatrehana an’ireny lalao ireny, hahafahan’izy ireo maka traikefa tsara.
Ambany ny herijika hidona amin’i Nigeria…
Somary manify ihany ny herijika ahafahan’ny Malagasy maka ny fandresena eo anatrehan’ny Super Eagles Nigeria, raha ireny lalao tamin’i Maroc ireny no jerena. Tsiahivina fa nandritra ny Can 2025 farany teo, nisaraka ady sahala, 0 no ho 0, i Maroc sy i Nigeria, ary tany amin’ny fandakana “tir au buts” vao tafavoaka mpandresy ny Liona marokanina.
Etsy ankilany koa, ny nizerianina, hiatrika lalao ara-pirahalahiana roa amin’ity jona ity, raha toa ka iray monja ihany ny an’ny Barea. Tsy hitovy indray izany ny lalao efa vitan’ny roa tonta, mialoha ny fihaonan’izy ireo, ny volana septambra ho avy izao.
“Boribory moa ny baolina ka andrasana izay vokatra ho avy eo.”
F.R




