Nohavaozina ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Airtel sy Airtel Money amin’i LJo sy Valisoa Ramananjanahary, fantatra hoe Valisoa Regarde le monde, anaty tambajotra sosialy. Notendrena ho ambasadaoron’ny Airtel sy Airtel Money izy mianadahy ireo, hitondra ny mari-pamantarana manerana ny dia halehan’izy ireo. Izany hoe, hisolo tena ny Airtel sy ny Airtel Money, amin’ny fampahafantarana ireo tolotra samihafa amin’ny mpanjifa. Ho hita eny amin’ny dokambarotra, hetsika lehibe, fitetezam-paritra, anaty tambajotra, sns.
Nambaran’ny tomponandraikitry ny serasera Airtel, Ramatoa Ramanankavana Julicia, fa tsy tongatonga ho azy ny nanendrena azy mianadahy ireo. Mpanakanto manana ny lazany i LJo, ankafizin’ny tanora, miangaly ny gadona afrobeat, afropop, dancehall, shatta… Notsoriny fa hafaliana lehibe ho azy ny nanavaozana ny fifanarahana, izay efa ho 8 taona izao.
Efa nahazo loka iraisam-pirenena
Torak’izany koa i Valisoa Regarde le monde, sokajiana hoe « influenceuse » anaty tambajotra sosialy. Mpandraharaha rahateo izy, mpanazatra ara-panatanjahantena ary mpamorona niomerika. Efa nahazo loka tamin’ny Influencers Awards Indian Ocean. Tanora mavitrika, mitodika hatrany ho an’ny hoavy. Niara-niasa tamin’ny Airtel sy ny Airtel Money izy nanomboka ny taona 2025 ary izao nohavaozina izao ihany koa.
Njaka A.




