Novonoiny ny vadiny: namono tena ilay rangahy fa tsy maty

Tsy fahazakana ny hisaraka noho ny disadisa. Raim-pianakaviana iray indray no namono nahafaty ny vadiny tany Antanambao Manampontsy, omaly maraina. Nananton-tena tamin’ny tady izy, taorian’izay, saingy tsy maty. Efa voasambotry ny zandary ny tenany.

Renim-pianakaviana iray, 17 taona, maty notsindromin’ny vadiny tamin’ny antsy, tany amin’ny fokontany Ampasimena, kaominina ambanivohitra Anta­nambao Manampontsy, omaly maraina tamin’ny 9 ora. Olona iray sendra nandalo teo akaikin’ny trano no naheno zaza nitomany tao an-trano ka nijery ny zava-misy. Nahitana ra ni­paritaka tao an-trano ary nisy razana teo akaikiny. Nam­pandrenesina mahakasika ny zava-nisy ny manam-pahe­fana sy ny fokonolona. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana izy ireo, taorian’ny antso. Noho ny fahaverezan-dra be loatra, vokatry ny tsindron’antsy nahazo ilay ramatoa, no nahafaty azy, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Notsindromina an­tsy ny tarehiny havia ary nivoaka tamin’ny tarehiny havanana izany. Raim-pianakaviana iray 22 taona, izay vadiny ihany no tompon’antoka tamin’io vono olona io. Efa nisaraka efa ela io ramatoa io sy ny vadiny, fa nifampody taty aoriana, raha ny loharanom-baovao. Niady izy mivady ary nilaza handeha hisintaka any amin’ny ray aman-dreniny ilay vehivavy. Efa ela rahateo izy roa ireo no nisy disadisa ary leo noho ny ady misy matetika ilay ramatoa, raha ny fanazavana voaray.

Namono tena fa tsy maty

Novonoin-drangahy ilay ra­matoa ka rehefa maty, nariany teny ivelan’ny trano, akaiky zava-maniry. Rehefa hitany fa tsy niaina intsony ilay ramatoa vadiny, namono tena izy. Nalainy ny tady ary nafatony tamin’ny tendany. Nana­non-tena teny ambony hazo ity farany avy eo. Tsy nahazaka azy anefa ilay tady ka tapaka ary nianjera tamin’ny tany izy ka tsy nahatsiaro tena, raha ny fanazavana voaray hatrany. Noraisim-potsiny, araka izany, ity mpamono olona ary mbola novonjena sy novelomin’ny fokonolona.
Nentina niala tao Ampo­taka, fokontany Ampasimena, ilay lehilahy nahavanon-doza taorian’ny tranga, mba ho fiarovana ny ainy, hisorohana ny fitsaram-bahoaka. Mian­drai­kitra ny raharaha ny zandary avy amin’ny tobim-paritra An­tanambao Manampontsy. Mitohy ny fanadihadiana.

Sajo/ Mino

Partager sur: