Manakaiky ny mpanjifa! Tsy mitsahatra mikaroka zava-baovao sy manome fahafam-po ny mpanjifany hatrany ny StarTimes. Tolotra miavaka indray no atolony, nanomboka ny 1 jona hatramin’ny 31 jolay. Misitraka karazam-pandaharana fanampiny maro ny mpanjifa mandritra io roa volana io, rehefa manampy 10 000 Ar monja amin’ny saram-pamandrihana mahazatra. Misy karazany telo izany, ka hahazo fandaharana feno Upgrade ny mpanjifa Nova sy Classic ary Super. Ahafahana manaraka mivantana ny lalao baolina kitra iraisam-pirenena sy eto an-toerana, miseho mandritra ny volana jona sy jolay. Eo koa, ny fandaharana be mpankafy toy ny Saison 3 amin’ny Gangs of Manila sy ny hafa.
Anisan’ny miavaka amin’ity tolotra ity ny fandaharana vaovao G-Sport ao anatin’ny GasyStar, vokarin’ny StarTimes, entanin’i Haja Randria, hita ny alatsinainy hatramin’ny sabotsy, manomboka amin’ny 6 ora ka hatramin’ny 6 ora sy 30mn hariva. Hanadihadiana, hamakafakana ny lalao baolina kitra. Manampy ireo, ny lalao isan-karazany, ka hahazoana loka maro, lehibe indrindra amin’izany ny moto vaovao avy amin’ny tranombarotra France Rider.
Njaka A.




