Vita sonia ny alakamisy teo, teny Ivato, ny fifanaraham-piaraha-miasa stratejika eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fiarahamonim-pirenena, niarahan’ny governemanta sy ny Transparency International. Tanjona ny hiadiana amin’ny kolikoly, hanamafisana ny fitantanana mangarahara eo amin’ny sehatra tsy miankina. “Miantoka ny fisarihana fampiasam-bola sy manatsara ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ny fifampitokisana”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana. Nohamafisiny fa: «vonona izahay hiady amin’ny kolikoly sy ny ampihimamba, sady hahafahany mivelatra. Tanjona ny hampiroborobo ny fifaninanana ara-drariny sy madio eo amin’ny tsena». Nasongadiny fa miantraika mivantana amin’ny mpanjifa ny kolikoly sy ny hosoka. Hiezaka iantoka ny fitovian-jo sy hisitrahan’ny rehetra ny tolotra ara-drariny eo amin’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa, indrindra eo amin’ny fadintseranana sy ny hetra ny fanjakana.
Hetra « Crédit TVA » tsy naverina
Naneho ny ahiahin’ny sehatra tsy miankina ny filohan’ny Vondron’ny orinasa
eto Madagasikara (Gem), Rabarijohn Francis. Nambarany fa mbola sarotra ny toe-draharaha iainan’ny mpandraharaha, indrindra eo amin’ny resaka hetra sy ny trosa tsy voaloa na tsy naverin’ny fanjakana, toy ny hetra “crédit TVA”, ohatra. Noresahiny koa ny dinika mahakasika ny karama farany ambany amin’ny fandraisana mpiasa. “Tsy baikoina ny fifampitokisana, fa vokatry ny fanatanterahana ny teny nomena sy fanajana ny fanoloran-tena no hikolokoloina izany”, hoy hatrany ny filohan’ny Gem.
Henintsoa




