Hifantoka atsy Soudan Atsimo indray ny sain’ny besinimaro, indrindra ny mpankafy baolina kitra, vehivavy, amin’ity faran’ny herinandro ity. Hifampitana amin-dry zareo mpampiantrano ny Barea Ladies Madagasikara. Hiady ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika (JO 2028).
Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Juba National Stadium, ao Soudan Atsimo, ny lalao voalohany amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny lalao Olympika 2028, hatao any Los Angeles, taranja baolina kitra, vehivavy. Hifandona amin’izany ny Barea Ladies Madagasikara sy ny ekipam-pirenen’i Soudan Atsimo. Tsiahivina fa ny lalao mandroso sy miverina dia tanterahina any an-toerana avokoa. Noho ny tsy fananan’i Madagasikara kianja mahazo fankatoavana avy amin’ny Kaonfederasionina afrikanina (Caf), ny anton’izany. Efa any an-toerana ny delegasionina malagasy, amin’izao fotoana izao. Vonona izy ireo ny hiatrika ny tompon-jaridaina. Hotontosaina ny talata 9 jona kosa ny lalao miverina eo amin’ny roa tonta.
Raha ny herijika aloha, mety tsy hahasakana ny dian’ny tovovavy malagasy ry zareo sodanezy, na hilalao eo an-kianjany aza. Tsiahivina fa mbola ambany, raha mitaha amin’ny laharan’i Madagasikara ry zareo Soudana Atsimo, eo anivon’ny Federasionina iraisam-pirenena (Fifa). Na izany aza, ny baolina boribory ary tsy maintsy hiady hanao izay ho afany ihany koa ry zareo amin’ity. Manantombo amin’ny traikefa sy ny fahazarana lalao iraisam-pirenena rahateo ny Barea Ladies, na tsy mbola lasa lavitra toa ny an’ny lehilahy aza.
Hifandona amin’i Afrika Atsimo indray izay tafavoaka amin’i Madagasikara sy i Soudan Atsimo, eo amin’ny fihodinana faharoa. Lalao hatao any Johannesbourg, ny 5 ka hatramin’ny13 oktobra ho avy izao. Marihina fa fifanintsanana mivantana ny fihaonana ka raraka izay resy, aorian’ny lalao mandroso sy miverina. Miisa dimy ny dingana tanterahina hahazoana ny tapakila roa. Hisolo tena ny kaontinanta afrikanina, amin’ny lalao Olympika, tanterahina any Los Angeles, ny taona 2028 izay tafavoaka eo.
Tompondaka




