Tetsy amin’ny zaridaina Mamory, kaominina Ivato, no nanamarika ny Andro iraisam-pirenena hiarovana ny tontolo iainana ireo mpilatsaka an-tsitrapo, notarihin’ny Fitaleavana misahana ny fampiroboroboana ny mpilatsaka an-tsitrapo sy ny fanentanana eny ifotony, ao amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotovao Fanorenantsoa. Mifanindran-dalana amin’ny Taona ho an’ny mpilatsaka an-tsitrapo rahateo izany. Taorian’ny hetsika fanadiovana dia nisy ny diabe nihazo ny Bani Ivato. Fanodinana fako na akora hafa azo avadika ho zavatra azo ampiasaina indray no nifanentanana taorian’izany. Niarahana tamin’ireo mpianatra 700, avy amin’ny sekoly 30, ao Ivato, ny hetsika. Mpilatsaka antsitrapo 60 mahery no hita teny an-toerana. Lamba efa tsy ampiasaina intsony no nangonina hozairina ho lasa kitapo sy kojakoja fitondra mianatra. Eo koa ny fanodinana ireo fako plastika ho lasa haingona zaridaina na ho tonga fitovana ampiasaina indray. Tanjon’ny hetsika ny fitaizana ny sain’ny mpianatra ho tia karokaroka sy hanana fahafoizan-tena hanampy ny hafa ary ho tia miaro ny fahadiovana sy ny tontolo iainana.
Tatiana A




