Fahasalamana : 1,1% ny fihanaky ny Sida ary 1,8% ny sifilisy

Nampahafantarina ny herinandro teo ny valin’ny fanadihadiana nasionaly momba ny tahan’ny fihanaky ny VIH sy ny sifilisy eo amin’ireo vehivavy bevohoka tonga tamin’ny fizaham-pahasalamana voalohany mandritra ny fitondrana vohoka (CPN).

Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa 1,1% ny tahan’ny fihanaky ny VIH ary 1, 8% ny an’ny sifilisy raha ny salanisa manerana ny Nosy. Manamarina ireo tarehimarika ireo fa efa miparitaka amin’ny sehatra maro ny valanaretina ka mitaky fanamafisana ny asa fisorohana sy ny fikarakarana ireo olona voakasika.
Nasongadin’ny fanadihadiana ihany koa ireo fanamby lehibe mbola sedraina, toy ny tsy fahampian’ny vaovao sy fanentanana, ny halaviran’ny toerana fanaovana fitiliana, ny tsy fahafantaran’ny olona maro ny sata ara-pahasalamany ary ny fisian’ny fitondran-tena mampitombo ny mety hahazoana aretina.
Ho setrin’izany dia navoaka ny soso-kevitra manan-danja toy ny fanamafisana ny serasera sy ny fanentanana ho an’ny daholobe momba ny VIH sy ny sifilisy. Fanitarana ny fitiliana ho azon’ny vehivavy bevohoka rehetra mandritra ny fizaham-pahasalamana ary fanakaikezana ny tolotra eny ifotony.
Fanentanana sy fitadiavana loharanom-bola anatiny sy avy amin’ny mpiara-miombon’antoka mba hiantohana ny fisian’ny fitaovana sy fanafody ilaina.
Fanamafisana ny fandraisan’ny fikambanana sivily anja­ra ny tambajotran’ireo olona miaina miaraka amin’ny VIH ary ny vondrom-piarahamonina ara-pivavahana amin’ ny asa fanentanana sy fisorohana.
Ity atrikasa ity dia dingana lehibe amin’ny famaritana ny laharam-pahamehana nasionaly eo amin’ny ady amin’ny VIH sy ny sifilisy eto Madaga­sikara. Manamafy ny fiaraha-mientan’ny fanjakana, ny mpi­ara-miombon’antoka ary ny vondrom-piarahamonina izy io, mba hahatrarana ny tanjona amin’ny fanafoanana ny fifindran’ny VIH avy amin’ny reny mankany amin’ny zaza sy ny fampihenana ny fihanaky ny sifilisy eto Madaga­si­kara.

Tatiana A

Partager sur: