Hita aty Afrika ny tolotra PayPal USD, fomba hifanakalozam-bola (Crypto) eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mahatratra 70 ny tsena efa ahitana azy maneran-tany, amin’ny alalan’ny fampiasana ny sandam-bola dolara. Nambaran’ny tale jeneraly ny PayPal ho an’ny Moyen Orient sy Afrika, Otto William, fa « omenay lanja ny olon-tsotra sy ny orinasa aty Afrika, mba hitondra fitomboana ara-toekarena, hampiroboroboana ny tsenam-barotra ». Nanamafy izany ny filoha lefitra, sady tale jeneraly, ny Crypto, PayPal, fa “ezahinay ny hanovàna ny fomba fifanakalozam-bola, any amin’ireo tsena miisa 70 maneran-tany”. Haingana sady tsotra ny fampiasana azy, nefa mora ny sarany. Hitondra fampandrosoana eo amin’ny toekarena iraisam-pirenena, hampandrosoana ny varotra maneran-tany ».
Manome antoka ny mpampiasa azy ny PayPal USD. Misy ny fankasitrahana sy tombontsoa manokana ho an’ireo mpanjifa mendrika. Azo avadika amin’ny sandam-bola isaky ny firenena ny vola ao anaty kaonty, arakaraka ny filàn’ny mpampiasa azy, isaky ny firenena.
Nanomboka tamin’ny taona 2023 no nisian’ny PayPal USD tany Etazonia. Azo ampiasaina aty Afrika, Azia Pasifika, Eoropa, Amerika Atsimo, Moyen-Orient ary Amerika Avaratra.
Njaka A.




