Miara-miasa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA) sy ny Fandaharanasa iraisam-pirenena ara-tsakafo (Pam). Hapetraka ny bankin-tsakafo hanamafisana ny fahaiza-manao momba ny fanjarian-tsakafo.
Hampifandraisina ny sehatry ny fambolena sy ny fanjarian-tsakafo. Antony, ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro sady entina hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Io no anisan’ny nivoitra, nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo, Ramindo Gaëtan sy ny solontena maharitry ny Pam, Ramatoa Tania Goossens ary ny Lehiben’ny Fandaharanasa ao amin’ny Pam, Outman Badaoui, ny 4 jona teo. Hapetraka ny bankin-tsakafo ho fanamafisana ny fahaiza-manao momba ny fanjarian-tsakafo.
Tafiditra ao anatin’izany ny fampidirana ny tantsaha madinika maherin’ny 10 000 ao anatin’ny seha-pihariana famatsiana sakafo eny an-tsekoly. Hanatanterahana izany ny tetikasa FSRP, tohanan’ny Pam, ka mpianatra manodidina ny 240 000, manerana ny Nosy, no hisitraka sakafo any amin’ny sekoly 650 eo ho eo.
Harindra ny fanatanterahana ny tetikasa miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Toraka izany koa ny fanatsarana ny fampiasana ny loharanon-karena ary ny hampiroboroboana ny asa ho an’ny tantsaha eny amin’ny tontolo ambanivohitra.
Tetikasa FSRP-PRSA
Efa nanomboka ny aogositra 2022 ny tetikasa FSRP-PRSA. Mitentina 158 100 000 dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Ida, mandritra ny 7 taona, ka hifarana amin’ny jona 2029. Faritra 15 (Analamanga, Vakinankaratra, Itasy, Atsinanana, Analanjirofo, Atsimo Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Anosy, Diana, Sava, Boeny, Betsiboka, Atsimo Andrefana, Androy) no iasana. Miisa dimy ny asa hatao, toy ny fanamafisana ny famokarana afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro, ny fanohanana ny loharanon-karena voajanahary hanatsarana ny tontolon’ny fambolena, ny fampifandraisana ny lalam-barotra ho an’ny tantsaha madinika ary ny fanapariahana ny fahaiza-manao sy ny fiomanana fiatrehana ny loza voajanahary.
Njaka Andriantefiarinesy




