Nandrasan’ny jiolahy dimy manao saron-tava sady mitam-piadiana teo an-tokotany ny mpianakavy avy nitety tsena naka vola, tao amin’ny fokontany Avaratsena, kaominina Tsiroanomandidy, afakomaly tamin’ny 9 ora alina. Hidina ny fiara nitondra azy, tsy nisy nanampo na inona na inona ireo mpivarotra tao anatin’ny fiara avy nanangona vola teny an-tsena ireo. Nodarohan’ny jiolahy tamin’ny vodibasy avy hatrany ny mpamilin’ny fiara. Tsy nisy afa-nandositra ireo mpandeha. Noteren’ireo mpandroba hanome ny sakaosy nisy ny vola rehetra izy ireo. Vola avy nalain’ireo mpivarotra ireo tany amin’ny tsena tao Kiranomena, Fierenana sy Tsinjoarivo 22, io lasan’ny jiolahy io. Tsy nionona tamin’izay, tsy namelan’ny olon-dratsy raha-tsy nanome ny vola hafa tany aminy ny renim-pianakaviana iray. Nosintomin’izy ireo tamin’ny volony ka nentiny tamin’ny maizimaizina io vehivavy io. Lasa ny vola 100 000 Ar nokasaina handoavana trosan’olona teny amin’ity farany. Nandositra ireto farany.
Nitsilo tamin’ny jiro
Ramatoa iray mpitety tsena nahare fisiana trangan-javatra hafahafa tsy lavitra teo ka nivoaka ny trano. Nitsilo tamin’ny jiro io ramatoa io kanjo norarafan’ireo jiolahy tamin’ny fitaovam-piadiana teny aminy. Vokany, naratra io mpivarotra io rehefa voa teo amin’ny tarehiny. Nentina malaky teny amin’ny toeram-pitsaboana izy. Nandositra avokoa ireo nahavanon-doza. Nanokatra fanafihadiana momba io fanafihan-jiolahy io ny polisim-pirenena miasa ao an-toerana. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.




