Seminera nasionaly: Atleta 60 nahazo mari-pankasitrahana

Tontosa tany Antsirabe ny andiany faha-5 tamin’ny seminera nasionaly ho an’ny atleta, ao anatin’ny fankalazana ny “Olympic Day”. Atleta 60 no nahazo mari-pankasitrahana taorian’ny fiatrehana ity seminera nomen’ny kaomisionin’ny atleta CNO Madagasikara ity. Nanan-karena fifanakalozana sy fifampizarana fahalalana ny seminera. Nisy ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo olympianina amin’ny maha atleta matihanina azy ireo sy ny fivelarany eo amin’ny taranja tsirairay. Nisy ihany koa ny fiofanana hafa izay nahaliana tokoa momba ny fitantanana fanatanjahantena, “médecine du sport”, “dopage” sy ny maro hafa. Anisan’ny noresahina nandritra izany ihany koa ny mahakasika ny satan’ny atleta “haut niveau” sy ny lohahevitra maro isan-karazany. Tsiahivina fa anio no ivon’ny fankalazana ny “Olympic Day”, izay any Antsirabe ihany. Hisy ny hetsika samihafa manoloana ny Gara, anio.

Mi.Raz

Partager sur: