Tsipy kanetibe – Mada 2026 : 270 ireo ekipa mifaninana

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Kianjan’ny Boulodrome An­katso, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe, ho an’ny olon-droa miaraka. Araka ny fanazavana voaray teny an-toerana, mahatratra 270 ireo ekipa mandray anjara amin’izany ary nahatonga solontena avokoa ireo ligy 12 mandrafitra ny federasionina. Anisan’izany ny ligin’i Anala­manga, Vakinankaratra, Amo­ron’i Mania, Boeny, Matsiatra Ambony, Atsimo Andrefana, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Menabe, Itasy, Ihorombe. Ankoatra ny maha fifanintsanana nasionaly azy, afaka miatrika avy hatrany ny fampivondronana izay hifantenana ny ekipam-pirenena malagasy ny laharana voalohany amin’ity fifaninanana nasionaly ity. Tsara marihina fa nanomboka omaly avokoa ny lalao fifanin­tsanana ho an’ny sokajy “séniors”, lehilahy ary hiditra an-tsehatra anio, eny an-toerana ihany, ny an’ny zokiny “vétérans”, ny vehivavy, ary ny zandriny.

Fitia Randria

Partager sur: