Aleo malina…

 

Efa lasa ny zavatra taloha? Na efa tsy lasa fa tsy mampandroso, mampahantra vahoaka… Ny rafitra no antony noho ny fivangongoam-pahefana mitarika jadona, ohatra. Eo koa lalàna mangeja fa tsy azo atao, ohatra, no manao hetsika an-dalambe, raha tsy nahazoan-dalana. Hany ka fitakiana sosialy tsotra aza, miafara amin’ny fanalana fitondrana. Toy ny olana amin’ny jiro sy rano farany teo. Tsy misy izay fijerena ny zo aman-kasin’ny vahoaka? Ny hetahetany, izay mety ho vitany, ny heriny… Izay miteny sy mihetsika rehetra, soketaina ho politika: misy ambadika, manongam-panjakana…
Halemen’ny fitondrana miorina amina endrika jadona? Manginy fotsiny ny tsy fifampitokisana amin’ny fifidianana, mahatonga krizy miverimberina. Eny, na izay fitondrana hoe voafidim-bahoaka aza, tsy mahaleo ny vitsy no ho ny be fa tsy maharo akory izay nofidiny. Tena misy sa tsia ny hosoka sy hala-bato amin’ny fifidianana? Ny tsirairay no mitsara tena sy mahalala ny ataony. Izany no hoe havaozina sy ovaina? Sarotra sy mafy ary ela, raha tsy ny tsirairay no vonon-kiova… vao manova. Tsy mora ny miala amin’ny mahazatra. Tsy kely lalana koa ny ratsy.
Nefa tsy ny fositra no tsy ambolem-boavahy. Tsy miandry ny tsy afaka sy tsy te handeha ny raharaha. Ny tena tsy mba naman’izay mihemotra… Ny dikan’izay, mila miara-mifampitantana raha te handroso sy ho lasa lavitra. Tsy mahazo miverina, tsy mihanahana, tsy mitavozavoza… Tsy mora ny manova ny tarazo ratsy izay ela izay. Eo indrindra izao… Iza no manao inona, aiza ary mankaiza… ? Misy ny manao sarin’ady tsy mahalala afa-tsy ny tombontsoany, mandrobo hamitahana vahoaka.. Aleo malina na marina amin’ny aleha sy atao aza. Tsy iandrasana ny tantara hitsara any afara?

R. Nd.

Partager sur: