Ravan’ny mpitandro filaminana ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana teny Ampasapito, boriborintany fahatelo, ny alin’ny sabotsy 6 jona teo. Dimy lahy nitam-piadiana nikoninkonina hanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny faritra Gamo. Naharay loharanom-baovao mari-pototra ny polisy eo anivon’ny SCUSI (Sakamainty) ka niroso tamin’ny fitsikilovana teny an-toerana. Sarona tokoa ireo jiolahy, ny alin’io sabosy io tamin’ny 7 ora sy sasany. Niroso tamin’ny fisamborana ny mpitandro filaminana ka nisy tamin’ireo jiolahy nandositra. Tsy afa-nihetsika intsony kosa ny dimy mirahalahy izay nisy nitam-piadiana. Basy PA niaraka tamin’ny bala tratra teny amin’ny iray tamin’ireo mpanao ratsy ireo. Nentina natao famotorana ireo olona voasambotra ireo. Voamarin’ny polisy fa misy amin’ireo olona tratra ireo efa nandray anjara tamin’ny fanafihana mitam-piadiana teto an-dRenivohitra. Mitohy ny fikarohana ataon’ny mpitandro filaminana ahafahana misambotra ireo olon-dratsy tafaporitsaka.
Tsiferana R.




